Paska 2016 feno ny herin’Andriamanitra

affiche-paska

 

Aman’arivony ireo olona voasinton’ireo hetsika fitorian’ny Radio FMFOI 107.4MHz ka tonga nanatanteraka ny Paska 2016 tao amin’ny Coliséum nanomboka ny 22, 23, ary nifarana ny 29 Martsa 2016 lasa teo. Fatra mpitandrina ny didy sy ny sitrapon’ Andriamanitra rehetra ny fiangonana Fmfoi tarihin’ny Raiamandreny Apostoly Benjamina, ao anatin’izany ny Paska sy firavoravoana izay manan-danja tokoa satria fandalovan’i Jehovah sady antoky ny taona; hankalazaina isan-taona. Nandritry ireo fivoriana masina ireo no nampisehoan’i Jehovah ny heriny sy ny fisiany ary tena nahitana fa velona Izy satria namaly ny vavaka sady niasa tamin’ny fametrahan-tanana ka maro no sitrana tamin’aretina nampiaiky ny dokotera, ny malemy nitsangana, tao ihany koa afaka tamin’ny fangejana sy ny fatotry ny fanahy ratsy ary ny ozona, tao koa ireo latsa dranomaso sy torotoro fo nahatsapa ny fitiavan’i Jesosy ka sady nibebaka no nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany. 

Ampahany ireo voalaza ireo fa tsy ampy hilazana ny voninahitr’Andriamanitra sy fahatsarany ary ny fahagagana rehetra nataony tamin’ireo rehetra namaly ny antsony indrindra fa ireo izay tia Azy ka mankatoa ny teniny.

Avatar for Ziona WEBCOM

« Et cet évangile du royaume sera prêché dans la terre habitée tout entière, en témoignage à toutes les nations ; et alors viendra la fin. » (Matthieu 24:14)

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Nous utilisons des cookies pour vous offrir la meilleure expérience en ligne. En acceptant, vous acceptez l'utilisation de cookies conformément à notre politique de confidentialité des cookies.