Fitoriana Filazantsara

Ny FJTSA7, tarihin’ny Aposotoly Benjamina, dia fiangonana mitory ny fahamarinana ara-baiboly.  Ny tanjona kendrena dia ny hampahafantatra ny rehetra ny marina mba hanafaka azy (Jao 8: 32):  hanangana ny reraka, hanasitrana marary, hanafaka ny voafatotra sy ampahorina, hizara teny velona amin’izay mangetaheta fahamarinana ary indrindra indrindra ny  handraisan’ny olona rehetra  famonjena ka handovany ny fiainana mandrakizay.

Fitoriana maneran-tany

Efa azo arahina maneran-tany  ankehitriny ny fitoriana izay ataon’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny aterineto : ny tranonkala Ziona FJTSa7 (www.fmfoi-apostolic.com), ny Chaîne YouTube TV 7 FOI, ireo tambanjotran-tserasera (réseaux sociaux) toy ny pejy Facebook Radio FMFOI 107.4MHz sy Ziona FJTSa7, ny Twitter, ny Google+, ny webradio, ny Soundcloud sns…

Ny onjam-peo 107.4MHz na ny Feo maherin’ny finoana (Radio Fmfoi)

Tsy mora ny fanataterahana ny asa fitoriana ka teo no teraka ny onjam-peo 107.4. Radio ara-pilazan-tsara ranoray izay valim-bavaka avy amin’ny Jehovah tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina efatra ambin’ny folo (14) andro nataon’i Apostoly Benjamina. Handrenesana fandaharana maro toy ny toriteny, fampianarana, sy ny maro hafa. Lehibe indrindra amin’ireny ny fandaharana Apokalipsa Apostolika entin’ny Apostoly Benjamina izay mikasika indrindra ny bokin’ny Apokalipsy. Ankoatr’izay dia afaka manovo fampaherezana ao ny mpihaino amin’ny alalan’ny fandaharana toriteny mivantana, teny fampaherezana entin’ny mpiara-miasa amin’ny Apostoly ary fitondrana am-bavaka. Betsaka ireo nandray fahasoavana tao amin’ny radio fmfoi ary hatramin’izao dia hita fa mandroso tokoa ny asa…Hamaky an-tsipirihany

Na izany aza anefa dia mbola maro ireo toerana ambanivohitra lavitra eto Madagasikara izay tsy takatry ny tambajotra aterineto na ny onjam-peo ka dia mbola manohy ny asa fitoriana ankalamanjana sy isa-tokatranao izay efa natombokin’ny Apostoly any amin’irney faritra ireny ny mpira-miasa aminy. Maro no naneho fijoroana vavolombelona fa sitrana tamin’ny aretina sy ny fangejana ary tsy tambo isaina ireo niova fo sy  nandray famonjena.

Avatar for Ziona WEBCOM

« Et cet évangile du royaume sera prêché dans la terre habitée tout entière, en témoignage à toutes les nations ; et alors viendra la fin. » (Matthieu 24:14)

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Nous utilisons des cookies pour vous offrir la meilleure expérience en ligne. En acceptant, vous acceptez l'utilisation de cookies conformément à notre politique de confidentialité des cookies.